Fisaorana!
Eto am-pamaranana ny taona 2020 dia misaotra sy mankasitraka antsika rehetra mpiara-miasa sy mpanohana ny Madagasikara Voakajy. Na teo aza ny valan’aretina Covid-19 dia nanome ny tsara indrindra hatrany isika ho fikajiana ny zava-boahary Malagasy hitondra tombotsoa ho antsika olombelona. Tsy nisalasala ianareo eny ifotony nandray anay. Nanampy ara-kevitra sy ara-teknika ary teo amin’ny fanatanterahana ianareo tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Namatsy ara-kevitra, ara-bola sy ara-pitaovana ianareo mpanohana mba hanatanterahana ireo asa rehetra.