Ho fanamafisana sy fanatsarana ny fahaiza-manaon’ ireo VOI na Vondron’olona Ifotony mahakasika  ny fitantanana ny Faritra Arovana  dia nanatanteraka fiofanana ny ekipany Madagasikara Voakajy Ambatondrazaka amin’alàlany tetikasa Fitantanana Maharitra Holovain-javy, niarahana tamin’ny DREDD Alaotra Mangoro sy ny ekipa FMH.

 

VOI 2 izay mitàntana ny Faritra Arovana  Analabe ao anatiny Distrika  Ambatondrazaka, kaominina Ambohidava, Fokontany Ambatomasina  sy Faritra Arovana Analalava, Distrika Ambatondrazaka, Kaominina Amparihintsokatra, Fokontany Antsiradava no nisitraka izany.

Naharitra enina andro ny fiofanana ary miisa 50  ny mpandray anjara. Ireto avy  ny lohahevitra nampianarina tamin’izany :

  • Ny fiaina-mpikambanana ankapobeny
  • Ny làlana mifehy ny tontolo iainana sy ny faritra arovana
  • Ny andraikitra miandry ny isan’ambaratonga voakasika ny fitàntanana ny faritra arovana

 

Ny tanjon’ny fiofanana moa dia ny hanamafy ny fahaiza-manaon’ireo mpikambana ao amin’ny Vondrona Olona Ifotony eo amin’ny sehatry ny fitàntanana ny fikambanana sy ny faritra arovana.