🇲🇬« Ny fitiavako ny tanindrazako, mamelona ny hambompom-pirenena »🇲🇬

Fantatsika ve fa manan-karena zava-boahary I Madagasikara? Misy zava-maniry sy biby maro karazana izay tsy hita afa-tsy eto amintsika nefa tandindonin-doza ary mihasimba ny toeram-ponenany toy ny reniala, varika, sahona, fanihy ary tanalahy.

 

Ho fanehoantsika ny fitiavana ity tanindrazana malalantsika ity dia handeha isika hirehareha fa Malagasy, manana ireo harena ara-java-boahary tsy manam-paharoa.  Handeha ho velomintsika indray ny hambompom-pirenena amin’izao faha 62 taona ny fahaleovan-tena izao ka hiaro ny harena ara-boajanaharintsika isika.

Ny ekipan’ny Madagasikara Voakajy dia mirary fety sambatra ho an’ny Malagasy rehetra.

 

Did you know that Madagascar is rich in biodiversity? We have endemic flora and fauna but their natural habitats are being destroyed like baobabs, lemurs, frogs, bats and chameleon. Let us be proud of our originality and our richness in biodiversity. Let’s show our patriotism for the protection of the environment and biodiversity in favor of this 62nd Independence Day.

Madagasikara Voakajy teams wishes a very happy Independence Day to all Malagasy people.